<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>493</hymn_number>
<title>Ny loharanom-pamonjena FFPM493</title>
<lyrics>[V1]
 Ny loharanom-pamonjena,
 He, hitako tokoa izao,
 Dia Jeso Kristy, Ilay nomena
 Hamonjy izao tontolo izao,
 Ny rany dia fantaro
 Fa ampy hiankinako.

[V2]
 Ny otantsika no nanery
 Ny Tompontsika hankatý
 Isika hitany ho very,
 Izany no nidinany
 Nitondra fahoriana
 Sy hazo-fijaliana.

[V3]
 Ny nialan'ny Tompo aina
 Hanaisotra ny heloka
 Dia tsy mba takatry ny saina,
 Fa hitan'ny finoana,
 Ny rany no miantso hoe :
 He, famindrampo lehibe !

[V4]
 Izay no nampionona ahy,
 Ka afaka ny tahotro ;
 Na dia ory ny fanahy,
 Jesosy no Mpanavotro
 Na misy mampanahy fo,
 Ny Raiko no be indrafo.

[V5]
 Na very aza ny harena,
 Ka be ny fahoriana,
 Izaho mbola manantena
 Hahita fifaliana ;
 Jesosy, Izay fananako,
 Dia Tompo feno indrafo.

[V6]
 Izaho tsy matoky tena,
 Na ny fahamarinako ;
 Jesosy foto-pamonjena
 No tena itokiako,
 Ny Raiko no isaorako,
 Fa izy be indrafo.

[V7]
 Izay sitraky ny Ray malala
 No aoka mba ho sitrakao
 Fa izy tena mahalala
 Hametraka izay anjarako ;
 Izay ataony tiako,
 Fa hitako ny indrafo.

[V8]
 Izany fototra izany
 No toky izay hotanako
 Ambara-pitako ho any
 An-koatry ny fasako,
 Ka any no hisaorako
 Ilay fototry ny indrafo.</lyrics>
</song>